Hira faneva faha-50 taona
HIRA FANEVA FAHA-50 TAONA FI.MPI.MA.
Koa arahabaina
Mbola velon’aina
Sady nody ventiny
Ny rano natsakaina
Fiverenana :
Dia mihanaka eran-tany
Ny fitiavana kabary
Eto anivon’ny riaka
Ka hatrany ampita
Iaraha-mahita
Dimam-polo taona ny FI.MPI.MA.
Ho lava velona anie tsy hanahy
Dimam-polo taona ny FI.MPI.MA.
Ho lava velona
Izay tia ny tenindrazany
Dia tia ny tanindrazany
Izay no filamatra
Mampiray ny mpikambana
Enga ny tenindrazana
Mba ho tenin-janaka
Ary ny tanindrazana
Mba ho tanin-janaka
Koa arahabaina……………
.. Dimam-polotaona …………(miverina in-6)
A/C : Bana RAHALAHY