Mankalaza ny faha 10 taonany ny FI.MPI.MA. Faritany FRANTSA

logo centre

FIKAMBANAN’NY MPIKABARY MALAGASY
FI.MPI.MA. Faritany FRANTSA

Mankalaza ny faha 10 taonany ny Fikambanana manomboka amin’ity taona ity 2019 ka hitohy amin’ny taona ho avy 2020.
Hisy lanonana maro sosona ho tanterahina amin’izany koa fifaliana ho anay ny hizara izany aminao.
Misy ny LOGO natokana ho an’izany fankalazana izany koa indro zaraina aminao

logo

Ny teny faneva mandritra ny lanonana dia « ASANDRATRO NY TENIKO, HISONDROTAN’NY TANIKO »

Misy koa ny HIRA FANEVA narindra ho an’ny faha folo taonan’ny Fikambanana

Ho fanomboana ny fankalazana dia rindran-kira miaraka amin’ ERICK MANANA sy ny TARIKA FEO GASY any amin’ ny toerana enina eto Frantsa, mpanan-talenta tsy zovina amintsika intsony ny lazany, no hamaky lay ny lanonana.

  • TOULOUSE : 07 septambra 2019
  • RENNES : 14 septambra 2019
  • AVIGNON : 21 septambra 2019
  • BORDEAUX : 28 septambra 2019
  • ROUEN : 05 oktobra 2019
  • LYON : 19 oktobra 2019

Rohy horonam-peo fanamafisana ny toerana sy ny andro hisy lanonana

Hitantsika manaraka eto ny Flyer manondro ny ora sy ny toerana hanaovana ny lanonana ary koa ny fifandraisana hanome fanazavana fanampiny raha ilaina izany.
Koa manasa anao am-pitiavana ny Fikambanana hanotrona ny lanonana ho fankaherezana ireo mpikambana ary ho fanohanana ny soa toavina malagasy.

ALEO MIANOKA TOY IZAY HITANTARANA

Teny fohy avy amin’ny Erick Manana sy ny Tarika Feo Gasy

HILAZAO NY TAPAKA SY NAMANA REHETRA , TONGAVA MARO

Toulouse 07 septambra ERIC RENNES 2psd copie
ERIC AVIGNON 2 copie Bordeaux 28 septambra
ERIC ROUEN 2psd copie received_850188715376132