Lanonana fanokafana ofisialy ny faha 10 taona

DSC_0013

Faritany FI.MPI.MA. Frantsa : Lanonana fanokafana ofisialy ny faha 10 taona

« Asandratro ny teniko, hisondrotan’ny taniko ». Io no teny faneva manamarika ny faha 10 taonan’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa.  Marobe ny mpikambana tonga nanotrona.

Natao tany Saint Romain de Popey ny fanokafana ofisialy izany fankalazana izany.

Natomboka tamin’ny kabary nifandimbiasana ny fotoana. Nisantatr’izany ny Filohan’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa, Atoa Dera RAMANDRAIVONONA. Nitondra ny teny fiarahabana sy fankasitrahana ny vaomiera isa-tsokajiny ary indrindra ny mpikambana rehetra, amin’izao firaha-misalahy ao anatin’ny faha 10 taona izao. Nanohy  ny fiarahabana, tamin’ny fifandraisan-davitra, avy any antanindrazana moa, ny Filoha manerantany, Rtoa Hanitra ANDRIAMBOAVONJY, izay sady nanokatra tamim-pomba ofisialy izany lanonan-dehibe izany.

Efa maro ny asa efa vita raha tsy hilaza afatsy ny fampisehoana niarahana amin’i Erick Manana sy Feo Gasy, izay efa nitety tanan-dehibe 5 manerana an’ny Frantsa, nanomboka ny 7 sept tany Toulouse, Rennes 14 septambra , Avignon 21 septambra; Bordeaux 28 septambra, Rouen 5 oktobra. Ny famaranana izany lanonan-dehibe izany dia any Lyon ny 19 oktobra ho avy izao.

Ireo no nasongadin’ny Tonian’ny Faritany sady Talen’ny fankalazana ny faha 10 taona, Rtoa Domoina RATOVOSON, nandritra ny kabary sy tatitra nataony.

Ny ivon’ny fankalazana dia hatao any Paris , Salle le Millenaire Savigny le Temple ny Asabotsy 2 may 2020. Hisy koa ny famoahana mpiofana ho mpikabary,  fanasaloran-damba, fampirantiana sy seho samihafa  hatao ny 1 may 2020 ao amin’ny Etablissement  Saint Charles  91 200 ATHIS MONS (akaikin’ny seranam-piaramanidina Orly); mbola ho lazaina aoriana ny andinidininy.