Fanentanana ny fankalazana faha-10 taona Faritany FI MPI MA Frantsa

fanantenana-faha 10

Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany. Ny teny Malagasy mantsy dia mampiray, ka manentana ny maro, hanondrotra sy hiaro, ny soatoavina izay fananana, izay manamafy fihavanana. Ka tsy menatra hanandratra an-karihary, ny maha SAROBIDY sy AMBONY ny KABARY. « Asandratro ny teniko, hisondrotan’ny taniko ».