Hiram-pirenena malagasy

Tonony

1 - Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Fiverenana :
Tahionao ry Zanahary
‘Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.

2 - Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
‘zay sarobidy sy mendrika tokoa.

3 - Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan’ny satanao.

Tonony : Pasteur Rahajason
Feony : Norbert Raharisoa